Malagasy ny tenako ary nahatsapa aho fa manana andraikitra goavana aho eo anivon'ity firenena ity mitady hatrany aho ireo zavatra mety ho vitako ary mety mahasoa ny ralahiko sy anabaviko any Antsiranana any Mahajanga any Toamasina, any Antananarivo, any Fianaratsoa ary any Toliary

eny Ralahiko sy anabaviko izy reo satria Malagasy mitovy amiko

ireo any ampita andranomasina indray dia tsy ralahiko ary tsy anabaviko fa heveriko fa namako izy reo ary samy tiko avokoa na ny ralahiko na ny hanabaviko na ny namako satria kristianina aho.

Isanadro aho dia mandinika hoe : inona ary no tokony ataoko mba hanampiko azy ireo, toa tsy manana asa hivelomana,ireo tany eo ampelatanana toa tsy ampiasaina satria tsy manana hoetina manao izany !!!! anisany daholo izany

hanangana orinasa ve izaho?? anefa tsy manambola hanamboarana izany ny karamako isanmbola dia lany handoavako hofantrano, handoavako faktiora,ary ireo akora ilaina isambolana

Tsy manambady aho satria mihevitra aho fa ny ambikaramako dia tsy hoentiko hamelomako vady fa hoetiko sy hangoniko hampadroso ity firenena ity.

ary amin'izao fotoana izao aho dia mitady hatrany, miasa hatrany ary ny tanjoko dia hanangana orinasa mba hafahan'ireo tsy manan'asa hiasa ndray,hahafahana mampidina ny isan'ny tsy manak'asa ety amin'ity firenena ity.

Mipetraka zany iny zay : hoe afaka dimy na enina taona eo aho hanomboka hanagana orinasa.

Nijanona ary nitombona ny saiko fa hanampy ireo ralahiko sy andahiko aho afaka dimy taona
Miasa tsara aho,hajaiko tsara ny asako,managombola aho, ary efa nandalo ireny mpampindrambola ireny

Kinanjo,nihevitra ny mitombona ny saiko, nanomboka ndray izy tato ato toa mahatsapatena aho tia tena,diso ary tsy manampy ny ralahy sy anabavy Inona ary no ataoko ?

izay foana ny fanontaniana niverina tato antsaiko

Rehfa nodinihiko dia hitako ihany,mandrapatonga ny dimy taona dia ny zavatra mety azoko hanampiana ny samy Malagasy dia izao HEVITRA :

eny manana hevitra maro toy ny rehetra aho ary hitako fa ity tambazotra ity dia fitaovana iray mahomby hamoahiko izany hevitra izany

ary ireo hevitra ireo no hatsipiko aminareo eto

1)Tokony hifaninana ara ekonomika ny faritany enina
very lavitrin'ny Antananarivo ny faritany dimy hafa
Tsy fialana tsiny mihitsy ny hoe satria kosa "Antananarivo miampy an'i Antsirabe"
Mahaiza mitia ny faritany misy azy tsirairay, io no efa nitoeranao ataovy izay faran'ny herinao
raha misy olona iray hitanao manao maloto ao @ faritany misy anao ny dikan'izany dia tsotra fotsiny, tsy manaja ny faritaninao izy
Efa misy lalàna manasazy ireny fanao ireny.
Ny olona rehetra dia eo ambanin'ny lalàna
Ny adi-hevitra dia ilaina, fa aza dia atao fanao fa mba manaova
Mitsidika ireny forum ireny mantsy aho dia mahatsikarika fa ny ady hevitra ndraindray dia lasa fanao, tsy manakiana aho ny fanaovana adi-hevitra, fa efa nanontany tena ve isika hoe "Moa tena isainako ny tenenoko sa satria eo @ ity tambazotra ity dia malalaka aho mamoaka ny fomba fisainako"

2) Ny fambolena sy fiompina : sehatra goavana tokoa aty amintsika io k'anefa ny teknika,fitaovana ampisaitsika amin'ny famokarana dia tsy afaka hifaninana mihitsy isika @ tsena iraisampirenena

3)Ny teknolojia avo : minoa ahy, raha mitranjaka io sehatra ray io isika dia ho tafakatra hatrany ny fampadrosontsika.
Eny,ny tsena amin'io sehatra iray io dia efa azon'ny ry zareo tandrefana sy tatsinana Izany ve midika fa tsy afaka trandrahana intsony io ?

Feno riska tokoa raha manangana orinasa iray mamokatra fitaovana teknolojia efa voatranjaky ny tandrefana
Isika dia manafatra entana,ankora mihoatra lavitra ny vokarintsika azo lazaina fa zaza mianta isika raha izany.

Heritrereto hoe, Nividy fiara ohatra hoe BMW iray ianao mba hitantenrana rehefa miasa iny

Moa ve ny asa vokarinao mifandanja amin'ny vidin'iny fiara iny ? Eny,tsy laviko mihitsy hoe, ianao efa sasatra a nanangombola firy volana

vao nahazo io faniriko io dia fiara tsaratarehy.K'anefa hoy aho hoe aza dia variana.

 

4)Ny fampadrosona dia miankina @ orinasa tsy miankina

Ny fanjakana dia tokony hanome tany maimaipoana anireo te hanokatra orinasa
Tsy aleo ve ampisaina ny tany toa izay tsy misy mampiasa
Tsy ampy ve reo hetra efa takina azy ireo .
Ny ankanbetsahinn'ny mpandraraha sy manorina orinasa dia avy Antananarivo daholo
Raha hanagana orinasa isika dia jereo ihany raha mety ny hanaganana azy eny faritany mahantra indrindra
Ry zareo reo ange dia miandry ny hanamboarantsika orinasa fotsiny e ary miandry raha misy toerana mety ho mety aminy.
Tena tsara tokoa ny nahatongavan'ireo vahiny mpandraharaha sy mpamorona orinasa ireo

5) Tokony ho hidisoina ireo olona tsy mahavita ny asany. Mba fantatrareo moa iza no diso tamin'ireny Fisarivorona tamin'ny 2002 ireny

Ny hevitro dia nytsy nahatanteraka ny asany tsara ny misahana ny fangalaram-bato

6) Isaky ny misy olana dia tokony jerena voalohany indrindra ilay olona na misahana ny nahatonga ny olana

iza no tomponadraikitra tsy nahavita ny asany satria raha tsy henjana ohatran'izay dia mandrary baranahina sy manao kitoatoa ny asany ny tsirairay

 

**************************************************************************************** Nosoratan'i Ilaysabotsy adresy nangalana azy

http://www.oocities.org/ilaysabotsy/hevitro/

Raha te hifanoratra amiko ianao dia ity ny mailako ilaysabotsy@yahoo.com

Marihiko fa indray isaky ny roa volana aho no mamaky mailaka,ka raha hoe hitanao tsy mamaly aho dia izay ny antony Ny sabotsy voalohany volana isaky ny roa volana izany. ****************************************************************************************