Madagasikara raha ny fahitan'ilay ilaysabotsy azy

Madagasikara dia toy ny fianakaviana iray monina rery ary manodidina azy dia rano tsy manapetra. fianakaviana hoy aho teo k'anefa ny atao hoe fianakaviana dia misy dada,misy neny ary ao ny zanaka,ndraindray aza dia monina miaraka ao koa ny rafozana sy dadatoa sy nenitoa ka amizao ny

Dada eto dia ny filohan'ny repoblika : ray mpianakaviana mafinaritra tokoa te hampadroso ny fianakaviany mba ho lafatra kokoa ny fiainany izy reo

ny Neny eto dia Andrimatoa praiminitra ary ireo olona karamany mba hanampy azy aminy fandrindrana ny asa eto dia ireo ministra isan sokajiny: mazava hoa azy fa toa ny neny rehetra dia somary mianta @ dada kely izy mivady ireo dia manana zanaka anaky enina Antsiranana,Mahajanga,Toamasina,Antananarivo,Fianaratsoa ary i Toliary no lahy matoa ary i Antsiranana no faralahy.

Antsiranana izay tsy dia nirayiky pitia t@ izy mivady loatra fa misitaka hatrany dia azo lazaia hoe zanaka tsy dia be teniteny fa rehefa hoe hihetsika zay izy dia tena alalao ny sehatra hoy ny zatovo zay

Mahajanga ndray dia zanaka azo lazaina hoe

Toamasina dia zanaka somary madiditra izay mikorota tsaina zay, varina any @ namany any, ka ndraindray dia adino tanteraka ny ray amandreny

Antananarivo dia ndray zanaka atao hoe mianta velona zay, vidiana dada sy neny daholo zao rehetra zao, bmw,miantsena eny @ supermarché, ary ny ankabetsahan'ny fialamboly dia omena azy daholo, fampisehoana antsehatra Bodo,poopy.. somary be lalao zay k'anefa io lay zanaka io no antenaina @ ho avy ny fianakaviana

Ho teneniko aminareo eto hoe fa maninona io no ho avy ity fianakaviana fa ndao aloha anoy ny fampisehona ity fianakaviana zay tena mahaliana ity

Fianaratsoa ity zaza ray ity ndray dia

Toliary lahimatoa any dada sy neny ka somary mandefidefitra izay. Tsy dia mianta @ dada sy neny na dia efa tena noana be aza dia miaritra. Tatoato izy zay dia narary, nitaninandro loatra ka dia niray hina ireo zandrikeliny mba hanome azy sakafo sy maro hafa koa. Mangoraka ity zaza iray ity mihitra ny tenako manoratra ity takela ity.

Ndao ary isika hiverina @ ilay hoe fa maninona no Antananarivo no ho avy ny fianakaviana kanefa sady tsy faralahy no tsy lahimatoa fa lahy evo

Efa nanana fianakaviana toy izao aho ry zareo ka mba atsipiko ity hanatra ity ny hanatra tsy ho zanaka adala fa ho an'i zanaka endry ô ry zanaka isany, raisoko toy zanaka nareo enina mianadahy satria mahafinaritra tokoa nareo tinareo ho handroso ve ny fianakavinareo, izao atao : aza dia miankina be @ Dada sy Neny nareo satria izy reo efa lany vola @ fahasalamanareo ny firindrany fiaramoninanreo,ny fifankativanareo sarotra nge ry zareo ny manao anizany e I neny kosa aloha mba teneno ihany mba hiasa mafy faraki zay haina.

Dia miraisa hina, ny fahitako anareo enina mianadahy ireo dia tsy miray hina aza miandry an'i Dada fa manaova zavatra. Ianareo miteny foana hoe ny fianakavinay dia miray hina,k'anefa diso nareo tena diso nareo, tsy fantatrareo ny atao hoe tena miray hina.

Ho teneniko aminareo eto ny tena tanjona izany miray hina iazny

Omeko hanatra tsirairay nareo enina mianadahy Antsiranana : Mijoroa ary ataovy izay hampadroso anao aza mieritreritra olokafa ianao fa ianao ihany jerena ataovy ohatra ny zokilahy nao Antananarivo, ary hifaninano mihitsy ka @ 2015 izay efa noteneni i Dada dia ianao mbola mandroso kokoa nohon'io zokilahy nao io.

Aza miantehitra @ Dada zany.Rehefa mila fitaovana hoentimiasa ianao vao mba teneno i Dada hoe, dada a , zaho mila anizao

Mino dia mino tokoa aho fa raha hitan'i Dada fa mahasoa anao izany dia ho azonao tsy ho ela izany Aza variana loatra amin'ny fialamboly, fa ny hoavinao sy fianakavianao aloha jerena Ataovy mihitsy izay ampalasa lavitra anao mihoatra an'i Antananarivo tsy mahamenatra ny miteny anizany eto fa ianao dia fahatelo ao arinany farany raha resaka fandrosoana.

Mba manāna ambo,tsy midiaka kory zany fa aza mitia an'ireo anadahinao reo mifanohitra amizany, tiavo ireo anadahinao reo toy nitivany i Jesosy anao

Mahajanga : ianao no vavy tokany i Dada sy i Neny Nahafatifaty ahy tokoa nahitanao taloha, asa nialehibe ve ianao sa ahoana fa tsy miakarakara tena intsony, asa tsy manampotoana ve sa tsy manana hoetina manana hikarakarana tena

Toamasina : Ny tiko tonga dia atsipy hanatra aminao dia hoe , aza dia mora tezitra fa hoeto milamina sy miaraka @ fitiavana ireo ralahinao ireo ny fiaiananao.Enao no zanaka faharoa mandroso indrindra, k'anefa tsy midika izany fa mandroso ianao raha @ ankapobeny.Koa amizay dia tiko asongadina koa dia hoe: madrosoa bebe kokoa mbola mavita lavitra noho Antananarivo ianao ary mbola mandroso bebekokoa nohon'i Antananarivo ianao raha mihitsika.@ 2015 hitatsika eo ny fivoaranao, fa aza misalasala mihitsy mangataka hevitra,fitaovana hoetimamokatra fa raha ny efitrano efa natokana hipetrahanao dia tena mbola vitsy dia vitsy tokoa ny miasa

Antananarivo : Lahy hevo ny dada sy neny Miatrika hatrany ny fampadrosona ny fianakaviana,matoky hatrany ny hoavy tsara, tohizo, fa mafinaritra tokoa izao ny hanantrana atsipiko aminao dia izao aza dia mandanidany vola aminy zavatra tsy misy dikany nahita mantsy aho hoe mividy bmw ilay vao nivoaka mihitsy ianao mitentina 70.000.000 A maninona raha hividiana fitaovampamokarana iray izay hoentina mamokatra ianao koa dia somary mianta izay ny fitaovana eo @ ampelatanānao dia tsy ampisainao tsy mifandanja mihitsy ny tolotra sy tinady aminao

Mandany bebekokoa nohon'ny vokarinao ianao. eny mamokatra ianao, fa tokony hamokatra be be kokoa raha te hifandanja ny tolotra sy ny tinady haverimberiko etoana fa aza dia variana @ fialamboly fa ny ho avinao mbajinina Fianaratsoa :

Toliary : Lahimatoa any dada sy neny ianao, tokony ianao no tarat'ireo zandrinao ireo nefa amizao fotoana izao tsy afaka ny hitaratra toy ianao ry zareo satria tsy mety loatra.Aza dia sarokenatra na miafaafa eo anivon'i Dada sy neny fa mizara miresaka sy mifanakalo hevitra ny mety tokony atao Mamorona orinasa,mijereva fahalalana ankapobeny,ary banjino ny ho avy nao

Hoa n'i Dada izay mankasitraka sy manaja anareo hatrany ny tenako. Marina tokoa fa tsy maintsy mila fanampiana avy any fianakaviana hafa ny fianakavinao satria tsy ampy ny eo ampelatananareo Tsapako tsara izany,ary tsapako tokoa ny tetikasa mba hanarenana ny fianakavinao satria mbola tsy azo lazaina mandroso ireo zanakao enina.

Mahafinaritra ahy tokoa izy enina mianadahy ireo. Namaky gazety afrikana iray izay aho,dia averiko eto ilay izy T@ teny frantsay moa no namabaranao azy "Je mene ma famille [ndt:pays] comme une entreprise" Nahafinaritra tokoa namaky io fehezanteny iray io Dia hoy aho hoe : Eny zanakao izy enina miandahy, ary tsy te handrava anizay mihitsy aho fa ao anatina Entreprise zany ve tsy hoe misy ny mpiasa dia misy ny tale

Eny mazava eto fa ianao no Tale, midika zany fa izy enina mianadahy zany no mpiasa ka hoy aho hoe : mba harao maso ihany ny zavambita izy enina mianadahy zanakao reo,fehezo tsara ary havereno tsara amizareo fa mila miasa ry zareo raha te handroso omeo fitaovana hoentimiasa ry zareo raha mila,ary asaivo mifaninana ry zareo samy ry zareo ary ho hita eo ny zavabita @ 2015 hoe iza tamiry zareo no tena niasa sy tena nahatsapa fa ny fianakaviana izay entinao io nge fianaviana tsy zarizary, ary mahantra. hevitra ny ahy iny,avereno aty amiko raha diso.

Ho an'i Neny malala : mahatsapa tokoa aho fa miasa ianao,ary tohananao hatrany ny vadinao malalanao. Fombanjavatra tokoa izany eo mpivady,ary hoy aho hoe tohizo fa mahafinaritra izany Saingy, ie misy saingy kely

saingy izao : satria nampadraiketina aminao ireto zavatra ireto ny

1) Ny fahasalamana
2) ny fifanereserana
3) ny indostria
4) ny fizahantany sns ...

izay maro tokoa izy reo izay sahaninao andavanandro ary tsy moramora tokoa ny miandraikitra anizany ka naniraka olona ihanao isahana ireo k'anefa izao : hevitra ny ahy ity araho maso ihany ireo olona nirahinao ireo, amizay satria vola ny anao no lany karamaina an'izy reo ary lafo tokoa ny mampikarama azy reo satria olona efa avolenta tokoa ry zareo

Mandroso hatrany ve sehatra sahany izy reo tsirairay raha resaka asa,eny hiarahamalala sy mahita fa mandroso ny asany fa tsy eo ny olana fa ny olana mipetraka dia hoe mandroso ve ny sehatra sahany ohatra iray : (ohatra fotsiny ity) ny serasera sy teknolojia moa ve mandroso io sehatra io raha resaka asa mantsy dia hita fa mandroso ary manao dingana avo tokoa fa resaka sehatra aiza ho aiza ny indostria mariky ny tanjaka amina fianakaviana iray aiza ho aiza io sehatra io ? dia sy ny sisa sy ny sisa

 

 

Misaotra anao ny namaky hatramin'ny farany ity takela ity. Raha tinao avoaka @ gazety,na boky na fitaovana hafa dia tsy mandrara anao amizany aho fa tsy maintsy marihinao ao @ ilay gazety ireto ao anaty kitana manaraka ireto. Ary tsy adino ny mandefa mailaka aty amiko miaraka @ ilay anaran'ilay gazety sy andro nanatotona azy

**************************************************************************************** Nosoratan'i Ilaysabotsy adresy nangalana azy

http://www.oocities.org/ilaysabotsy/fianakavianamalagasy/

Raha te hifanoratra amiko ianao dia ity ny mailako ilaysabotsy@yahoo.com

Marihiko fa indray isaky ny roa volana aho no mamaky mailaka,ka raha hoe hitanao tsy mamaly aho dia izay ny antony Ny sabotsy voalohany volana isaky ny roa volana izany. ****************************************************************************************