Ny sigara
Raha misy zavatra anakiray tsy mbola azoko eto @ ity tany ity dia ny fifohana sigara.
Miaraka amin'ny namako aho, miara misotrsotro eny,manao karatra mivanivany, miresaka sipa ,mahafinaritra tokoa izany, fa ny ry zalahy namako dia tsy ampy izany raha tsy asiana sigara kely.
Nisy namako zay,roa taona lasa izay,tsy mba nifoka sigara izy.Ndray maraina zay, ririnina ny andro nangatsiaka be ny andro,mitady zavatra mba hanafana tena lery,nomen'ilay namako ray sigara lery,ity hoy izy andramo fa mafana tsara ialahy ny ririnina moa somary lava ihany ka dia raikitra nifoka sigara lery.
Nisy namako anakiray zay ndray,niara nivoaka namondry toerana fandihizana izahay, ary nifanena tamina sipa nangataka sigara ilay sipa,k'anefa izahay tsy misy mifoka sigara, dia hoy ilay namako hoe ndao hividianana ianao dia lasa izahay nividy sigara iray fonony, dia nomena ilay sipa ary niara nadray daholo izahay rehetra
Mahafinaritra tokoa, satria miara mifoka siagara izahay rehetra, mifampijerijery mivanitika.
Nandeha ny andro, ilay namako lasa mifoka sigara isan'andro isan'andro.
Aho tsy nanohy nifoka fa iny tamin'ny trano fandihizana iny ihany. Satria ny tanjoko dia ny miara mifaly ary tsy mihafahafa miaraka amin'ny namako.
Ny mpiara miasa hamiko, mandinika aho,isaky ny adiny roa,somary mivoaka kely ao @ efitra iray izay, mifoka sigara mankasaina mihitsy izy mifoka sigara,dia variana aho ary talanjona mihitsy ndraindray satria dia mandany fonony iray isanandro hono izy rehefa niresaka izahay. Tsy menatra mihitsy miteny anizany amin'hafa.
Aho moa mihaino fotsiny, fa ny eritreritro dia andevozin'ny sigara izy.
Mbola tadidiko ihany aho, asa 14 sa 15 taona izaho tamizay nanao "Exposé" tamin'ny taranja fahalalana zavaboary ny lohateny tamizay dia "Ny sigara". Ny tao anatin'io "Exposé" io tamizay dia ny zavatra simika rehetra mety hita ao rehefa dorana ilay sigara.
Ary mbola eto amiko eto ilay "Exposé",mahalasa saina tokoa ny mahita ny soratanana tamin'ny mbola kely izay tsy mahatsikarika anizany ve nareo ? Rehefa naveriko novakina ilay "exposé" dia gaga aho,niverina tato amiko daholo ireo fahalalana rehetra momba an'ny itony sigara itony.Marina tokoa fa dia misy pozina ary mamono tsy kelikely tokoa ny sigara.
Ary zay vao tadidiko ihany koa fa maninona ny olona no mifoka sigara,
Nisy fanontaniana anakiroa nanontania'ny mpampianatra ahy tamizay fotoana izay
Ny fanontaniana voalohany dia hoe fa maninona no mifoka sigara ny olona iray
Ary tadidiko tsara ny vliteniko tamizay; Hoy aho tamizay : Ny antony hifohan'ny
olona sigara dia satria misy entona simika izay rehefa may iny sigara iny dia
togan any amin'ny atidoha iny.Iny entona simika iny mampihena ny fiketonan'ny
atidoha, ary miteraka
Ny fanontaniana napetraky mampianatra faharoa tamin'izay dia hoe Fa maninona ary ny olona no manamboatra sigara raha tsy misy vokatsoa haterany
Ny valiteniko tamizay dia hoe Satria ny mpajifa dia tsy mitrahatra mifoka sigara. ary hahazona volabe tokoa ny manaboatra sigara.
Izay ny momba ahy sy ny sigara.
Ny hevitro manokana eto momba ny sigara dia hoe Ianareo mifoka sigara isan'andro ireo dia heveriko fa olona tsy mieritreritra? tsy misaina akory.
Mba fantatsika ve fa manampy @ fanimbana ny ozonina ny setroka sigara ?
Mba fantatsika ve fa manimba ny fahasalaman'ny vatantsika ny fifohana sigara ?
Mba fantatsika ve fa manimba ny fahasalaman'ny vatan'ny manodidina anao ny setroka sigara ?
Mba fantatsika ve isaky ny mividy sigara nge isika dia toy mandoha fahafolonkarena ianao amina olona anisan'ny manakarena eto ambonin'ny tany ?
Mba fantatsika ve fa isika Malagasy dia Mandany sigara mihoatra lavitra ny fanamboarana sigara ka miteraka ny tsy fandajan'ny tolotra sy ny tinady
Mba fantatsika ve fa ny homamiadana vokatry ny sigara dia anisan'ny aretina lafo dia lafo tokoa ny manasitrana azy
Mba fantatsika ve fa ny sigara dia mamon tsikelikely ny manondidina anao.Izany midika fa mamono olona ianao
Mba fantatsika ve fa tsy misy vokatsoa hateraky ny fifohana sigara
Hono aho, olona misaina ve isika mifoka sigara io ?
Hono aho, olona nianatra ve isika mifoka sigara io ?
Hono aho,tsy maintsy mifoka sigara ve isika raha hanarina ny ekonomia an'ity tanindrazantsika ity ?
Hono aho,efa nahatsapa tena meloka ve ianao raha mifoka sigara?
Hono aho,ohatrinona izay vola efa laninao nividianana sigara izahay raha atambatra?
Hono aho,tsy mahatsapa tena ho andevozin'ny sigara ve ianao, satria sady efa simbany ny fahasalamano no mbola mandoha vola aminy ianao.
Misaotra betsaka tamin'ny famakiana ity lahatsorako ity
Mirary fahombiaza hatrany hoan'ny firenena rehetra aho indrindra fa ny firenena Malagasy
**************************************************************************************** Nosoratan'i Ilaysabotsy adresy nangalana azy
http://www.oocities.org/ilaysabotsy/sigara/
Raha te hifanoratra amiko ianao dia ity ny mailako ilaysabotsy@yahoo.com
Marihiko fa indray isaky ny roa volana aho no mamaky mailaka,ka raha hoe hitanao tsy mamaly aho dia izay ny antony Ny sabotsy voalohany volana isaky ny roa volana izany. ****************************************************************************************