Ny hevitro momba ity firenena
9,6 ny isa fiakaran'ny teokarena Malagasy.Faly ery aho nahita io isa io, ary
raha ampitahaina amin'ny firenena afa dia tena navita
dingana lehibe tokoa ny firenena ary dia tena mandroso tokoa ny sehatra rehetra.
Fa ay tsy fantatro fa isa mihoatra tamin'ny taona lasa izany tamin'ny roa sy roa arivo io isa io k'anefa tamin'ny taona 2002 dia nihidina 12 ny toekarena.
Somary kivy kely aho,k'anefa hitako fa mahavita isika raha nahavita izay 9,6 no vitatsika ary dia miharahaba antsika Malagasy tsy vaky volo rehetra ny tenako tamin'ny asa efa nampadrakaitina antsika tsirairay.
Ny tiko ampitahina amin'ny ity pejy ity dia hoe : Mety tokoa ny tetikasa fanamboarana lālana ary tena nahita tokoa ny governemanta raha io no sehatra voalohany tokony natao. Raha mihoatran'ny 7 isanjato ny fiakaran'ny arikarena hatramin'ny 2015 ary tsy mihoatran'ny 20.000.000 ny isan'ny mponina amin'io taona io, dia minoa ahy ry zareo fa anisan'ny firenena mantajaka isika aty amin'ny ranomasimbe indiana ary aty afrika. Misy hevitra mety hahatrarana io fito isanjato io ka asa mety ho mety ve ?
1) Mila mifaninana isika faritany enina, misy faritany hitako teny tsy mandroso mihitsy asa mety tsy manana fitaovana hoetin miasa ve sa izany fandrosona izany dia handraikin'ny fanjakana
2)Mila mitsofoka amin'ny tsena iraisampirenena isika eo @ lafin'ny teknolojia fa tsy mihonona ho mpajifa foana.
3)Satria ankabetsahatsika dia mihaina amin'ny fambolena sy fiopina, Mangatahā fitaovana arifomba any amin'ny fanjakana,ary mianara amin'ny teknika vaovao amin'ny famokarana, satria izao : Isika dia mandany hery be dia be raha hinjinja vary ohatra.Ka tsy mety hifanina @ireo fitaovana ary fomba finjinjana vary any ampita isika. Fantatsika tsara ny tiko ambara.
Ny tsolotra,anisan'ny manimba tokoa anity firenena ity
Rah te handray anjara amin'ny ady amin'ny tsolotra ianao : izao atao Alazao
ao @ tranokalan'i governemanta www.madagascar.gov.mg ao amin'ny forum ary tonony
ao ny anaran'ny ilay olona,ny toerana misy azy (hakabesahan'izy reny mantsy
dia mpiasa mpajakana),rehefa vita izay dia torio any amin'ny tribonaly, mba
hahazo lesoka tsara izy. mba ho fay tsara izy amizay.
Hevitro fotsiny ny ahy iny,ary mino aho fa manaja hatrany ny demokrasia izany zavatra izany.
Ary koa mino aho fa hahita fitia aminao ny vahoaka Malagasy amin'ny zany zavatra ataonao izany.
Teboka anakiray tiko hasongadina koa dia ny aretina SIDA, Ny any ambanivohitra no tena mila ampitadremana ny aretina SIDA satria nohon'ny tsy fahalaln'izy reo ny fisiany dia Raha farofy isika dia tsy ho havita hamandroso ity firenena ity mihitsy isika.
**************************************************************************************** Nosoratan'i Ilaysabotsy adresy nangalana azy
http://www.oocities.org/ilaysabotsy/zavamisy/
Raha te hifanoratra amiko ianao dia ity ny mailako ilaysabotsy@yahoo.com
Marihiko fa indray isaky ny roa volana aho no mamaky mailaka,ka raha hoe hitanao tsy mamaly aho dia izay ny antony Ny sabotsy voalohany volana isaky ny roa volana izany. ****************************************************************************************