AFA-PO


Afa-po tahaka ny fanalapiery
Ramatoa, efa tofoka aho ka aoka izay
Aleoko singan'olo-manirery
Toy izay roa ka hifampahory

Fantatrao ny efa tsy fitiavako
Ka ny mety misaraka ihany
Andeha vonjeo 'lay toerana fahiny
Nakipaky ny sasany ka mba akipakay

Mba henoy ny zavatra ho teneniko
F'aza dia sendaotra ambony ihany
Na tsy tianao aza ny tenako, Ndrematoa ô
Ny soa nifanaovana ataovy ao an-tsaina
Ianao no namoizako ny hafa
Ianao no efa nantenaiko
Avelao aho mba hialokaloka eto
Ny andro efa alina, ny tenako malemy


Naka RABEMANANTSOA

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)