ALFA  SY  OMEGA


Ny fo sy ny fanahy, tena rehetra
Tsy misy fetra
N'aiza n'aiza aleha, n'inona atao
Foiko ho Anao, hiderana Anao
Tompo ô !
	Izaho manontolo hanandratra Anao
	Ry Avo indrindra ô
	Iza moa no lehibe mihoatra Anao
	Ry Andriamanitry ny andriamanitra

Lohalika rehetra handohalika
Hilefitra Aminao
Ny lela rehetra hihetsika
Hiaiky fa Jeso Ianao no Tomponay
	Izao tontolo izao hiara-hiaky fa
	Anao ny HERY
	Iza moa no lehibe mihoatra Anao
	Fa mahery noho ny mahery Ianao

	Izao rehetra izao samy hanandra-peo
	Ka hidera
	Toy ny ranobe ny firaondraonany
	Mandrakizay ho Anao
	Alfa sy Omega


Tonony sy Feony : Adeline


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)