AMBARAMBARAO


Ambarambarao re ry kintana kely
Mba ho henon-dRahely
Akaiky va re hono ny andro maraina
Nandrasan'ny saina
Mba lazalazao re ry lanitra ambony
Zany vetson'ny fony
Masoandro hanazava ny aizin'ny tany
Kanjo tselatra ihany

Injay misy taratra kely misoko
Mitsilo ny foko
Injay ohatra ny misy feo hafahafa
Mamelona tafa
Dia tafa midinika fanantenana
Mitondra korana
Korana mitory fifalifaliana
Fa tojo ny tiana


Naka RABEMANANTSOA

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)