ANDAPA


Tongava soa ialahy tandremo raha mby any 
Fandrao lazain' ialahy i Papa hoe tomany
Ny hanafarako an'ialahy ho any Andapa
Sao i Mama malahelo koa 

Raha vao tafidina avy eny ambony fiara
Tsoahy ny kapa na kiraro hanambara 
Fa tany mamintsinka anie ny any Andapa
Any Andapa lapa soa tokoa 

Lazao i Laure hoe ilay sarinay taty
Tsy miala eny amiko hoatran'ny hohaniko
Ampimehezo koa kala Landy sy Gaby
Eo ambody angezoka 
Hitondray angezoka 

Tongava soa ialahy 
Veloma any Andapa
Ampifalio ny fon' i Mama sy i Papa
Fa raha tafita hoe isika any aoriana 
Any Andapa no hodiana 



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola - Mpionona - Lala


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)