ANDRAY !
Hitondrako hafaliana be ianao
hivatsiako zava-tsoa sy vaovao
'Zay tianao rehetra, hoy izy, tanisao
fa tsisy tsy ho entoko ho anao
fa nony tonga ilay fotoana nomeny
tsisy tanteraka izay efa nekeny
Andray ! Andray !
Ataony ho tsy ho tsaroako izay nampanantenainy
Ataony mbola zaza angamba aho ka natsafainy.
Andray ! Andray !
Tsy fanahy iniana daholo hono 'zany,
fa tsisy zony natao
tsy hanondroa, tsy hanintelo (hono),
matokisa ianao
Mahasosotra ahy mihitsy ity fahasahiana ity
fa mahafinanritra ahy ny fahatokiany fitia
toa izao, toa izao.
Hitondrany fifaliana be, hono, aho
Hivatsiany zava-tsoa sy vaovao
'Zay rehetra tiako hotanisaiko izao
hataony avokoa izay azo atao
'Zaho ve no adala f'izy tena mahay,
toy izao hatrany ange hatramin' izay
Andray ! Andray !
Tsy tiako mihintsy ny omeko tsy omeko
na dia mbola zaza aza aho tsy mila fa ento
ny anao, ny anao.
Tsy fanahy iniana daholo hono 'zany,
fa tsisy zony natao
tsy hanondroa, tsy hanintelo (hono),
matokisa ianao
Mahasosotra mihitsy ity fahasahiana ity
fa mahafinanritra ahy ny fahatokiany fitia
toa izao, toa izao.
Andray !
Tonony : Aina
Feony : Bessa
Mpihira : Nannie
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)