ANGAMBA



Ho mamy angamba
Ny fahafahana
Raha toa ka ombam-pitiavana
Raha toa ny jamba 
Omem-pitantana 
Ary ny noana vokisana 
Tsy hisy intsony ny fanavahana 
Ara-poko na fivavahana
Ka ny lasa dia ho fongorana
Sy ho dorana mba ho may


Ho mamy angamba 
Ny fahafahana raha toa ka ombam-pitiavana
Ny adilahy sy ny forongony
Dia tsy ho sahy himpongatra
Ny hatsembohana no hihinanana
Nefa kosa mba samy hanana
Fa tsy hisy indray ireo mpangalatra.
Tsy nisasatra ka handray


Ho mamy angamba ny fahafahana
Raha toa ka ombam-pitiavana
Angamha aho faly
Angamba aho sambatra
Raha toa izany tanteraka



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola - Bodo


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)