ANIO NO MBA HISOKA
Anio no mba hisoka ny andro-pifaliako
Vonona hifafy ny rivo-mangatsiaka
Ny ony iray dia re dia mampisento loatra
Fa feno ilay kapoaka voaomana hihoatra
Anio no mba hifoha ny taonam-pahantrana
Izay andevenantsika ny hiram-pilibana
Aloa ny zava-mamy ka tiana ny mangidy
Ny tebiteby anefa aty no afindrantsika
Ilaozana ny trano mihaingo sy mirenty
Ny solony efa miandry dia trano bongo hety
Hangadihady isika ho toy ny ory indray
Tsy hanam-bary iray venty ho toy ny fahizay
Arehintsika anio ny memy izay mandoro
Ny fihavanantsika nampoizina hikoro
Ny vatana sy nofo ho tojo fihafiana
Ny saina kosa anefa hitsaham-pijaliana
Justin RAJORO
("Saro-bonoina", Rodlish)
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)