ANKIZY NILAOZAN-TSAKAIZA


Mba hitanareo ve ry olo-mandalo
Ity olo-mahantra sy be fahavalo
Nilaozan'ny maro fa singan'irery
Miherika foana, tsy misy mpijery

Avia ka meteza raha sitrakareo
Hafatrafaran'ny fo mitoreo
Hafatra kely lazao mba ho re
Mba ento miampita lazao any hoe
Hafatra kely mba ento miampita

Ny tany niaraha-nilalaovana roy o
Raha sendra tazanina tena tsy foy
Nahoana ity tanjona iray manoloana
No dia totofana fanadinoana


Thérack


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)