ANTANANARIVO
Antananarivo zareo
Fonenana tsy mankaleo
Fa tsara sy soa lalandava
Mampiaiky sy mahavaky vava
Izay monina ao dia tamàna
Fa toerana sarotra ialàna
Izay vahiny sondriana
Ka raiki-pitia sy variana
Ny lemak'i Betsimitatatra
Tsinjovina antoandro ka fatratra
Ny onin'ilay vahilava
Mandroaka ny sento hisava
Ny ranon'Anosy malaza
Ny dobon'ilay Tsimbazaza
Farihin'ilay Mandroseza
Madio mangamanga mateza
Ilay Ambohipotsy ao atsimo
Fonenan'ny rivo-mirimo
Avaratra ilay Ankadifotsy
Fonenana mandrotsirotsy
Ilay Ambanidia ao atsinanana
Ambodin'Isotry ao andrefana
Ireny sy ny hafa sy ny etsetra
Onenan'ny soa tsy voafetra
Veloma tsy ho afaka an-tsaina
Iarivo izay mamin'ny aina
Tsy ho adino na oviana na oviana
Fa akany malala fodiana
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)