AO AVARA-TANANA
Ao avara-tanàna no misy kamory
Nilaozan-tsiriry ka tonga oriory
Tsy ady tsy inona ka dia nilefa
Sao dia ho neninao izany rehefa
Nahita ny rano tambiazana angaha
Sa mbola haitraitra na te hizahazaha
No tonga nadao anie ilay farihy nahatamana
Ka lasa nirintona sady tsy tana
Ny ela nitoerana ve nankaloy
Sa ela ny ela ka naha iray rohy
Ry voro-nilefa tsy noho ny ankaso
Tandremo fa sao mifihi-dranomaso
Veloma ry vorona lasa nilefa
Masina indrindra kanefa
Ny soa nifanaovana aza adinoina
Ny tsara efa vita aza lotolotoina
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)