AOKA IZAY
Aok' izay ny ngidinao
O ry vintako tsy tsara
Fa fifonako tokoa
Maty ao ka mitsahara
Midaraboka, mianjera
Efa tsy maharin-teny
Asanao raha dia ho sahy
Irony tsidry hazo lena.
E ity hoditrin' ny foko
Miepakepaka tsy nahy
Fa voaratranao daholo
na ny saiko, na fanahy
Dihin' antsy, dihin' nify
No nantetinao ny foko
Dray ! ry vintako malala
Mandrakotra ahy ny toloko.
Asanao ry vintako
Maty aho taminao
Asanao tokoa tokoa
Asanao dia asanao
Fa na sento na toloko
Hapololotrako tsy miato
Dia ho faly ny hatoriako
Eo am-parafara vato.
RABEHAJAINA - NY RAILOVY
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)