ARAHABA TOKOA
Arahaba tokoa ry havan-drehetra
Fa samy notahiana, mifankahita tava eto indray
Fa tonga daholo indray isika rehetra
Ny odin'ireo tsy tia tsy nisy nadaitra
Ny fanirianareo dia ho tanteraka androany
Indreto izahay Analamanga
Tsy misompatra ary tsy azo somparana
Lahy e ! Eny roy e !
Mierinerina eo an-tampon'Iarivo
Na tsy tiana ho hita aza
Tsy maintsy topaza-maso
Indreto izahay Analamanga
Tsy misompatra, tsy azo somparana
Mierinerina eo an-tampon'Iarivo
Tsy tiana ho hita nefa topaza-maso
Arahaba no voalohan-teny Rahavana
Raha sendra misy malaina arahabaina azafady
Fa masoandro be lohataona
Ka tsy mifidy olon-karahabaina
Ry lahy e ! Arahaba re roy e !
Arahaba ry havan-drehetra
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)