ASANDRATRO AVO
Jesosy ô ! Asandratro avo ny Anaranao Mpanjakako
Ary koa isaorana mandrakizay Ianao
Jesosy ô ! Anjara lovako eto an-tany sy rahatrizay Ianao
Ary Ianao irery no hany Tompo tompoiko
Jesosy ô ! Ny foko feno fitiavana atolotro ho Anao
Ary tefeo amboary Tompo hahay hitia Anao
Eny fantatro fa fitiavana manolotra aina no nitiavanao ahy
Jesosy ô ! Iaorana mandrakizay Ianao
Notoloranao fitiavana aho
Fitiavana marina, mandrakizay
Aina no nafoinao
Ho takalon'ny tenako izay meloka
Nefa Tompon'ny tompo Ianao
Nandao ny lapan'ny Rainao
Kanefa Zanaka Malala sady Maminy
Dia nidina tety Ianao, hisedra fahafatesana
Hisolo izato fahamelohako
Tonony sy Feony : Adeline
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)