ATOLOTRO ANAO

Atolotro anao izao hira izao
Ho anao nofidiako ao am-poko ao
Atolotro anao ho fitia
Vetsom-po : voady ho doria
Izao rehetra izao
Tsy mahasolo anao
Izao rehetra izao no tiako
Dia ianao no mbola ao ê ! ...

Koa ity hirako ity
Vetsom-po : tia anao doria
Ny volana, ny kintana
Hiombom-kira amiko
Ka na ny orana mijojo
Na rivotra mifofo
Tsy hahakivy sanatria
Koa avia eto an-tratrako ianao
Ianao masoandro ao am-poko ao
Avia fa ny fo tia anao
No mihira, hira ho anao doria.

Izao rehetra izao
Tsy mahasolo anao
Izao rehetra izao no tiako
Dia ianao no mbola ao ê ! ...
Vetsom-po : tia anao doria !

NY RAILOVY

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)