AVELAO
Korokorohinao amin'ny heloky ny lasa
Dia karohinao hovaina ny taloha
Ny fandraofan-drano raraka tsy
Ahasoa ka ivadihana ati-doha
Fa ny lasanao anie anao irery
Ny omaliko tsy nisy anjaonao
Ny fitanisana izany fotoam-bery
Tsy izay hahasoa antsika ve no atao
Dia ho heverintsika hoe manomboka eto
Vao nateraka indray izaho sy ianao
Hiombonana avokoa ny hehy sy sento
Ny lonjonin' ny fahiny tsy ho ao
Refrain :
Avelao, fa tena tsy azo atao
Ny mamoha fo tamandry efa fantatrao
Avelao izay taloha f' andrao
Holotoiny eo ny ampitso vaovao
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Vola sy Noro
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)