AZAFADY RAMATOA
Azafady ramatoa nentim-po tafahoatra
Ny tsiny tsy misy tsy akory fa ny sisa no tandremo
Ny alahelon'ny foko dia manjary adalako
Tsy tsiniako ianao fa tia nefa kosa tsy mba nieritreritra
Ny fitiavana raha diso fiantefa
Tahaka irony orana manila
Ny ilany maina, ny hafa kotsa
Tsy mitovy faniry izany ka manalasala
Dia tandremo ry zatovo
Tandremo ry tanora
Eny re
Aza manina 'zay olon-tsy manina
Aza tia 'zay tsy mbola azo toky
Tandremo ry zatovo
Tandremo ry tanora
Eny re
Tandremonareo maitso volo
Maro anie ireo mody tia
Tsara vava eny am-piandohana roy
Eny ry zareo
Nefa kosa ny ao am-po
Tsy azo toky fa mora miova roy
Eny zareo e
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)