BEDY FOANA
Vao nanomboka ari-saina aho,
dia nonomboka ny hoe :
Izao sy izao no tsy azo atao
Ka mitandrema ianao !
Nony kelikely foana, vetivety monja,
Nivangongo, nitangorongorona nanonja
Ny ditra nandraranao ahy !...
Mbola bedy foana aho !
Izaho anie ka efa mba niezaka
Hankatoa ny teninao !
Tezitra ianao fa nivily lalana aho,
Tapitra tarangana ny fitokisanao ahy,
Hono ho aho, aiza no aleha ?
Mbola bedy foana aho !...
Izaho anie ka mba efa nikaroka
Nihezaka... Hankatoa ny teninao !
               ( 
geocities.com/thetropics/shores)                   ( 
geocities.com/thetropics)