HARMONIA
Izay feon-kira izay feon-kirantsika
Henoy tsaroanao ve izay ilay mozika
Natao fidirana taorian'ny litorzia
Ianao nitendry ilay Hamonia
Izay feon-kira izay tsaroako tsara
Izahay sy Nenitoa niditra tara
Tery aloha tery, vao nisy hitoeranay
Fa voka-dehibe tamin' izay
Andro Paska moa io andro io
Hipoka avokoa ny dabilio
Vao niditra izahay dia hitako ianao
Nitendry ilay Harmonia
Nitodika ianao nijery ahy
Toa te-hitsiky angaha neia tsy sahy
Izaho sadaikatra, namindra saikatra
saiky tsy afa-nandeha raikitra
Niondrika aho satria menatra mafy
Hilefa ho aiza moa voatery nihafy
Ny doboky ny fo injao fa mafy ery
Toa hoe hihoatra ilay Harmonia
Tsy dia fantatro izay lohateny
Ny hany tsaroako dia ny feony
Fa ho ahy mantsy dia izay
Lay feona Harmonia feon-kira milaza Fitia
Tonony sy Feony : BESSA
Mpihira : LOLA - BESSA
Mpandrindra : ARO
-----------------------------------------
NY HIRAN'NY FO
1 - Fa hendry ianao k'aza anenenanao
Izay natao niarahana hatrizay
'Reo herimpo eia natobakao
Ireny ve havelanao ho may
2 - Ny voninkazo mamintsika roa
Maro mpitia satria tsara tarehy
Hira fandre na izao na taloha
Ny mpihaino azy fo tia be dia be
3 - Kanefa moa raha hevitrao tokoa
Ny hanadino fo tia mankalao
Ndeha soavadia ka mahita ny soa
'Ty hira ity hirary soa ho anao
Isan-andininy :
Ny foko akia tsy mba mahay miteny
Kanefa henoy, henoy fa ho renao
NY hirany ao, ho anao ilay nekeny
Miangavy re henoy raha sitrakao
Tonony : AINA
Feony : Bossa
Mpihira : Lolona
-----------------------------------------
OMEO
1.
Tonga ny fitakian-ketra,
Efa dodona izaitsizy !
Nefa ny vola rehetra
Lany fa maro ny ankizy
Misy efa voasazy
Fa tsy nahaloa ekolazy ...
Mbola betsaka ny trosa
Ary ny adidy miavosa
Dia mitaky hoe :
2
Kely anefa ny karama,
Zara raha misy hanefana
Na dia mila hanafaka aina
Mbola tsy azo 'zay ilaina
Ady anefa ny eto an-tany,
Tsy te-hahalala izany !
N' aiza na aiza no ombana
Tsy mba azonao ialana
Ilay mitaky hoe :
Isan-andininy :
Omeo ! Omeo ! Omeo ! Omeo hatrany,
Tsisy hatakandro na hoe famimdrampo
Fa mitaky hoe : Omeo ! Omeo ! Omeo ! Omeo hatrany,
Ka ny hany azo atao
Dia mamoron-trosa vao.
Tonony sy Feony:BESSA
Mpihira : BESSA
Mandrindra : ARO
------------------------------------------
MARAINA
Maraina
Maso ahiratra ianao
Maraina
Molotra tsiky ianao
Maraina
Raozy mivelatra ianao
Maraina
Vololon'aina vaovao
Ny aizina hisava
Ny tahotro ho rava
Tonga ny mazava
Maraina
Tonony sy Feony : BESSA
Mpihira : LOLA
Mpandindra : ARO
------------------------------------------
EMBONA SY TSIAHY
Misy tsiahy
Entin'embona tsy tana
Tsy iniana
Kanefa injao
Tonga tsy nahy
Hanamaloka hazavana
Fa ilay tiana lasa nandao
Tanisainy sy lazainy anao avokoa
Ireo tantaranao
Tsiambaratelonao
Fohaziny eo ny taloha
Nankarary fo
Dia viravirainy ny ratranao
Fafao ny tomany
Jereo ny ampitsonao
Dia ataovy hoe izay lasa nandao
Hisolo indray fitia vaovao
Toniny : BESSA
Feony : Gilbert ANDRIAMAHALEO
Mpihira : LOLA - SEHENO
Mpandrinda : ARO
--------------------------------------
RATRA MANARINA
Ianao naratram-pitia fa nanao foana
Namitaka ianao
Kanjo namoy,ilay tianao
Izay tsy mety avelao
Izay tsara tazony
Dia tsy hisy intsony ny fahorianao
Tsy very maina fa nilaina ny ratranao
Hanarenanao ny ho avinao
Izay tsy mety avelao
Izay tsara tazony
Dia tsy hisy intsony ny fahorianao
Satria nifoha ny sainao
Ilay saika natory
Mifona ianao, mivalo ianao
Tsy hanindroa
Indro mody aminao
Tsy niova akory
Ilay olan-tianao mbola tianao
Tsy very maina fa nilaina ny ratranao
Indro mody aminao
Tsy miova akory
Ilay olon-tiano, mbola tianao
Tonony sy Feony : BESSA
Mpihira : LOLA
Mpandrindra : ARO
------------------------------------------
NOFY
Ireo voninkazo
Niotazanao
Ndreo fa malazo
Maina kina izao
Ireo hirahira fikalonao
Lasa an-dakira
Foana sy nandao
Ny fitiavantsika
Nafana hatrizay
Indrisy mangatsiaka
'Foy mandrakizay
Lay paradisa naorinao
Ho nofy sisa
Nofy hatrizao
Tonony sy Feony : Tovo ANDRIANANDRAINY
Mpihira : LOLA
Mpandrindra : ARO
------------------------------
VAHINY
Fa vahiny izy, vahiny mba nandalo
Tsy nivatravatra na hoe nanao ambozizy
Na fianakaviany na izay tany nihaviany
Tsisy nahalala akory na nanao hoe fotory
Nipitrapitra izy, tsy sahy niteniteny
Nefa dia nambabo tsy nahy, nambabo fanahy
Ny tepon'ny foko natahorako ho reny
Nony sendra topi-maso tsy mba niniany akory
Fa raha toy izay hono, tonga dia nolazainy
Ireo teny nantenainy saiko
Ho asa angamba, izay zava-nitranga
Sanatria ho safotra aho angamba
Fa saingy tsy izany, tsy izany no niseho
Fa fotoana vitsy dia hay nandao ilay vahiny
Tsy nanaraka azy aho, tsy afa-nanoroka azy aho
Teo dia vita ny tantara, anay sy ilay vahiny.
Tonony : BESSA
Feony : Noël RAKOTOARIVONY
Mpihira : LOLA
Mpandrindra : ARO
-----------------------------------------
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)