DADA


Ilay Ray natao ho andry
Efa lasa nodimandry
Tsy azo andrasana
Fa remby voatelin' ny fasana
Tsy mba afa-nisafidy
Avy hatrany dia voadidy
Ka nanjahatra
Kamboty voatendrin' ny lahatra


Réfrain :
Dada ô ! toa inona re ny korana
Raha teto ianao
Nitaiza sy mba nihantana
Izy anefa no hotsiniana
Fa mipetraka mangina
(satria) 'tonantonana
Ny hoe tsy handray fiononana


N'aiza n'aiza misy anao
Ny mba hany azo hatao
Dia manondrotra
Ny anara-nomenao voatolotra
Horaiketiko ato anaty
Ho lalaiko mandra-maty ny fitiavana
Ka mandria am-piadanana !



Tonony : Liva Andrianavalona
Feony : Bessa


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)