DIA VELOMA I KAKY SY I NENY


Dia veloma i Kaky sy i Neny
Hanaovako azy veloma
Hodiako raha tsy tamàna
Hovangiako raha malahelo
Ry voninahitry ny zanany
Sy kiadinay tsy mba manana
Matesa anie aho ray retsy
Tafitohim-bato nafenin'ahitra
Latsa-dranomaso any an-tanin'olona

Tambazako izay mahafoy
Raha tsy ditra no hialana
Eny singam-bolo tsy mahafehy faty
Ranomaso tsy mahatana aina
Tiavo indrindra re ny ray aman-dreny

Velomy maso ny ray aman-dreny
Ka mba tsarovy re ny soa nataony
Horirika an-tany mando ny ray
Ketsa an-doharano ny reny
Maitso hariva tomaratara-maraina
Mavomavo hariva ary fotsy maraina
Tiavo indrindra re ny ray aman-dreny


Naka RABEMANANTSOA


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)