DIA VELOMA RY SAÏD OMAR


Dia veloma ô ry Saïd Omar
Fa hisaona anao ilay voafitakao
Ka masina indrindra anie
Fa izao no farany

Fa diso fifidy
Ka tratry ny nenina
Kapoaka mangidy
No sisa atelina

Ho lavo tsy afa-mijoro
Ny voafitaka toa ahy
Voarebirebin'ny hevitra
Ankosotra ka feno renty
Tahaky ny afon-jozoro
Ny fitiavana maloto
Miroborobo firehitra
Fa velona vetivety


Naka RABEMANANTSOA


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)