DIAVOLANA
La, la, la, la, la
Diavolana
Kintana sariaka
Volana baliaka
Kalokalom-paradisa
Tsaroana mitanisa
Endrika mahatsiahy
Rotsirotsin' ny fanahy
Raha mandre sy mihaino
'Zany hira izany
La, la, la, la, la
Diavolana
Tsaroako ny any aminay
Amin' izao fotoana izao
Mitomarataratra
Tarafim-bolana
Eny an-drefan-tanàna
Lamako sy lalao
Mihira ny ankizy manao
Fari-bolana
La, la, la, la, la
Diavolana
NY RAILOVY
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)