DINA


Ho anao no hikaloiko 'zao hira izao
Ho fahatsiarovana ny andro fahizay
Fony izaho sy ianao nivoady ny ho doria
Tsy hoarahina talaho, hohajaina ilay fitia

Tsaroako izany teo amoron'ny farihy
Nanatri-tava teo ny andiam-borodia
Nanasa antsika mba hisariaka
Hanamafy ny dina ny tiana sy ny tia

Tsy hoadino irony loka sy fanamby
Niaro tsiky, safosafo, tambitamby
Nampiana kalo mba tsy himalo
Tsy ho atakalo ny rendrarendra izay mandalo

Ho anao no hikaloiko 'zao hira izao
Ho fahatsiarovana ny andro fahizay
Fony izaho sy ianao nivoady ny ho doria
Tsy hoarahina talaho, hohajaina ilay fitia

Tsaroako izany teo amoron'ny farihy
Nanatri-tava teo ny andiam-borodia
Nanasa antsika mba hisariaka
Hanamafy ny dina ny tiana sy ny tia

Barijaona


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)