DIVAORSA

Mivadibadika isaky ny alina aho,
Tsy mahita tory
Miandry ny maraina hiposaka indray.

Rehefa mandeha isa-maraina ianao
Ho any am-pianarana
Izaho ery lavitra ery
Mitazana manarangarana...
Manahy foana aho ho anao,
Mbola kely loatra ianao
Zazakely !

Ilay dada vaovao izao
Nofidin' i neny ho anao
No hanoro lālana hizoranao...
Ilay dada vaovao izao
Nofidin' i neny ho anao,
No handidy sy hanapaka ny fiainanao.

Ny fanjakana sy ny lalāna
No nilaza izao :
" I neny ihany no afaka hanabe anao ! "
Manahy mafy ho anao aho,
Mbola kely loatra ianao
Zazakely !

Ilay dada vaovao izao
Nofidin' i neny ho anao
No hanoro lālana hizoranao
Ilay dada vaovao izao
Nofidin' i neny ho anao,
No handidy sy hanapaka ny fiainanao.

Ilay dada vaovao izao
Nofidin' i neny ho anao,
No handidy sy hanapaka ny fiainanao.


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)