DOBLA  SENTO


Midona aman-kalo ny oran-ko avy
Miafana kely ireo olo-manavy
Ny fanantenana fa ho mando ny tany
No toa hampitony 'ty maso tomany

Ny fo diso tia, ny fo sara-tiana
Hanomboka koa hisento mangina
Handefa ny sento hamaky ny foana
Hiampita ao an-tsofin'ilay tsy anoloana

Injay midona Ankaratr'irony
Ka manembonembona mafy ny fony
Ny fon'ilay tiana ka lavitr'izany
Dia tsy mba mionona tsy mety mitony

Ny foko mitepo mihevitra koa
Hanala ny sento tsy toha
Fa dobla sento mandeha iray dia
No tonga santionan'ny fo mifangia


Naka RABEMANANTSOA


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)