DON-DAVITRA


Don-davitra mahamanina
Don'akaiky mitrahotraho
Ka matahotra aho

Midona any lavitr'any hoy aho
Mandrahona mainty
Manombana takariva ô !
Ilay oran-ko avy
Kibobo manjohizohy ny fiainana an-tany
Tsiriry manifi-drano hoy aho
Ny aina mitempo
Vovo any anaty rano izao
No miandry mahazo
Mpanjono eny amoron-drano
Miandry vintana sy anjara

Fa ny dobo dia manam-paharitana
Fa ny trondro voarain'ny fintana
Miandrasa ny anjara sy ny vintana
Fa ny lanitra voaravaka kintana


Philibert Rabezoaza


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)