E ! RANO A !


	E !e !e !e ! Rano a !
Rano an'ala madio mangamanga
Rano an'ala fisotron'akanga
Rano an'ala tsy misy tsingala
Rano an'ala ka mangalahala

	E !e !e !e ! Rano a !
Rano an'ala ny fanantenana
Rano an'ala ny fifanenana
Rano an'ala ka misononoka
Rano an'ala ka miara-migoka


Naka RABEMANANTSOA

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)