EFA



Efa nisy fifaliana hita soritra tan' endrika sy tamin'ny fiainanao
noho izaho tety an-tany
Efa niara-paly isika tam-pigohana ny santatry ny
mamin-kasambarana fa vetetivety ihany
Efa tsapako ny vesatry ny rojo volamena nony injay nanjary
gadra teo ambozonao izany
Efa tapaka sy tosa ny fatora-nampiray antsika, lasa naharary
sy niteraka tomany.


Efa matotra aho izao ka mahay mitsinjo ny ho avy dia ny
vodiandro ho merika hijonjonan-tsamirery
Efa mibaliaka indray ilay masoandro fahiny teo
anivom-pianakavy azo nanovozan-kery
Efa mba nanako-pery ilay fitiavako naratra teo
an-tsampan-dalantsika nisarahana voatery
Efa ampy ho fiononako ny afaka nonolotra ny tsara mba
nananako : nomeko fa tsy very



Tonony : Aina
Feony : Bessa
Mpihira: Rija Ramanantoanina


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)