EFA ELA
(Vavy)
Efa ela mihitsy aho no nitsiky
raha sendra topi-masonao
Efa ela aho nihira
Ny fitiavako anao
(Lahy)
Efa ela aho nn nikasa
hanoba-pifaliana ho anao...
Efa ela aho no vaolatsan'
ny foko adala tia anao !
(Vavy)
Efa ela aho no niandry ny
valintsiky atolotrao
Efa ela aho no naniry ny
mba hiresaka aminao
(Vavy sy Lahy)
Efa ela mihitsy aho no niandrandra
izao tambitambinao izao
Efa ela aho no nivavaka
handray ny fitiavanao
Efa ela mihitsy aho no finaritra
noho izao andro anio izao
Efa ela aho no namaritra
zay ho fitondrako anao.
Efa ela aho no nanolotra
zay rehetra ao am-poko ao
Efa ela aho no voasoritra
hiara-dalana aminao
Feony : Bessa
Tonony : Aina
Mpihira : PAP'S
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)