EKEKO RAY O !
Ekeko fa tsy azo antoka
Ankosotra sy sandotsandoka
'Zay rehetra hita ety :
Mambabo fo ery.
Kanjo, manjera dia misintaka
Mandalo foana, tsy maharitra
Voafetra sy voafariparitra
Mora milofika
Sy mora potika
Izay mba kantony aza, fitaka
Ray o, Ianao irery ihany
No tsy mba miova hatrany hatrany
Ka raiso aho ho Anao
Manomboka izao anio izao
Dia tsy hahavily ahy intsony
Irony alo-tany irony
Fa Ianao no ho fanilo
Sy jiro ho tazana
Hitsilo
Zany lālana
Eny, fa na dia tonga tampoka
Tahaka ny lefona mitsatoka
'Lay ora tendrinao
Handaozako izao
Ka hifaranan'ny tantarako
Tonony : Charles Randriambeloson
Feony : Bessa
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)