ETO RY LALA


Eto ry lala no toerana
Toera-mangina
Tsy misy intsony ahiana
Ny fahavalon'ny mpifankatia
Efa nilaozana

Ry voninkazo manitra
Omeo ny fofonao mamerovero
Ny fofonao mamerovero

Ireto fo iray tsy mba roa
Enjehin-dava re
Ka mba hitsero


Thérack
(G. Andriamanantena)


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)