FA MAINTY AHO

Fa mainty aho
Ka nolazaina
Hoe adala tsy ampy saina
Izay rehetra mba nangatahina
Tsy nojerena fa no tsipahina

Nankalazaina
Fa mainty koa
'Reo faniriana
Nameno fo
Ka hoe tsy azo hotontosaina
Fa sao manaloka
Ireo maraina

Fa sao manantena ianao
Na koa mihevitra ianao
Fa hoe hitomany ianao
Tsy misy izany

Indray andro any 
Isika izao 
Tsy ho fefena na ho terena 
Hirehareha fa tena sambatra 
Hikalo indray hoe olona afaka

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)