FIHAVANANA MALAGASY
Vero notaingenan-pody aho ry namako
Tsy folaka fa mandefitra aho ry akamako
Ny marina tsy mba maty re rahavako
Fitia tena varo maty no afafiko
E ! Mba mifankatiava
E ! Mba miraisa hina
Ny maty aza mba te ho maro
Fitiavana ihany izany ka fantaro
Ny mifidifidy tavan'olona fadio
Fihavanana malagasy kajio
Aleo halan'olon-tokana tsy miafa
Toy izay halan'olo-maro vao vaka
Jean Colbert Ranaivoarison - François Daniel Rabenirainy
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)