FITIA ADALADALA
Fitia adaladala
maro mpankahala
ny fitiavako anao
nefa izay noheveriko
sy mba tratry ny heriko
hatolotra, anao
Sadasada angamba
no minia ho jamba
ny fitiavana azy
Saingy lalim-paka
efa tompon-daka
fa tsy vazivazy
Lala-nofinidy
ka na dia mangidy
laitra sy zakaina
ny enjika mihatra
ka tsy iferotana aina
Fitia adaladala
maro mpankahala
ny fitiava ko anao
nefa izay noheveriko
sy mba tratry ny heriko
Hatolotro ho anao
Feony : Bessa
Tonony : Bessa - Riri
Mpihira : Parson Jacques
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)