FITIA MIFAMALY
Fitia mifamaly ny antsika rahavana
Ka miara-mifaly sy miaraka mirana
Fa tsy mandeha singany
Ankaratra iombonana, Andringitra iraisana
Raha valabalaka ianao, ny aty koa torovana
Veloma tsy ho ela ry tiana sady tia
Ny foko izay tavela tsy miova sanatria
Fa raha ny fitiavako anao irery re rahavako
Ankaratra iombonana, Andringitra iraisana
Raha valabalaka ianao, ny aty koa torovana
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)