FITIAVAN - DRAY
Fitia maharitra
Fitia miharitra
Fitia tsy hita faritra
Fitia miafina
Tsy hay tarafina
Satria mifono vy mahamay
Tsy fantapantatra
Kanefa fatratra
Fa mila ho tonga lafatra
Afenimpenina
Tsy dia tenenina
'Za no fitiavan-dray
Tsy mba tia misehoseho
Matetika aza, jereo
Fa manafay reo mania
Tsy hanindroa sanatria.
Fitia mananatra
Fitia mampianatra
Fitia mitsinjo lavitra
Tsy fanaperana
F'azo ianteherana
Mamela heloka sy tsy leo
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Rija Ramantonanina
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)