FITO TAONA
Andininteny roa na telo
Voasoratro tsinahy
Nisy ihany mampalahelo
Nataoko anao, nataonao ahy
Feno taona fito androany
Ny niarahako taminao
Isika anefa eny ihany
Izaho sy ianao, izaho sy
ianao
Firifiry moa ny adalàna
Efa vitantsika roa
Ny fiainana tsy ataoko hoe
tsara,
Tsy azo atao hoe ratsy koa
Soa fa nisy ihany
Fitiavana indraindray
Tsikitsiky indraindray,
Fandeferana
Ny lahimatoantsika roa
Herin-taona izao no nianatra
Ka feno soratra avokoa
Na rindrina na fitaratra
Ilay vavy kely koa
Vao mianatra mihira
Impiry aho no bedy moa
Fa tsy manao feo faharoa
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)