HAFA  IHANY  I  MAMA


	Andry nianteherako ny Dadako
	Tokim-pahanterako ny zanako
	Samy tiako sy lalaiko, fatratra
	Ary samy iriko mba ho sambatra
	Sanatria tsy hadinoko ny vadiko
	Sy ireo iray tam-po zoky sy zandriko
	Hafa ihany i Mama, Neny, Mamako

	Refrain : 	
		Ny iray tam-po kiady
		Azo iankinan-doha ny vady
		Loharanon-drehareha ny zanaka
		Ka tsy hatsiarovan-tena lanaka
		Naha-olona ahy i Dada,
		Nefa izao no mahagaga .
		Hafa ihany i Mama,  Neny, Mamako

	Tsy ho voatanisako izay antony
	Tokony hiderako ny hakantony 
	Fa ny hany tena azoko antoka
	Dia ilay fahatsiarovako azy tampoka
	Fa raha sendra taitra ny eo am-bavako
	Tsy mba olon-kafa fa ny Mamako .
	Hafa ihany i Mama, Neny, Mamako


	Tonony sy Feony : Bessa
	Mpihira : Jenny - Lola


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)