HAHERY VA RE ILAY ANKASO
Hahery va re ilay ankaso
Ry fo mitaraina ô andraso
Ny didin'ilay fitsarana
Ny herin'ilay fitondrana
Ry rariny ô ampio
Fa farany e anio
Ka hatony izao
Fa miandrandra anao
Ny ranomasina manonja
Moa ve dia tsy hitony
Sao vetivety monja
Dia tsy hitopa intsony
Justin RAJORO
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)