HAMBOM - PO


	Na dia tebaina aza
	Sy bantiana ianao
	Ka nisy sahy milaza
	Fa kely ny sainao
	Tsy izany  velively
	Dia hahakivy  anao
	Izay anananao 
	andrianinao na dia hoe kely

	Refrain :
		Tsy hisy faladia
		Izay holelafinao
		Na hafa sanatria
		Handolehanao


	Raha nisy fanampiana
	Raisinao an-tanan-droa
	Kanefa aty aoriana
	Arahin-datsa koa
	Onero izany herezo
	Fa aleonao tokoa
	Mizara iray ho an-droa
	Toy izay atao hoe mitambezo



	Tonony sy Feony : Bessa
	Mpihira : Solo

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)