HARMONIA
Izay feon-kira izay feon-kirantsika
Henoy tsaroanao ve izay 'lay mozika
Natao fidirana, taorian'ny litorzia
Ianao nitendry ilay Harmornia
Izay feon-kira izay tsaroako tsara
Izahay sy Nenitoa niditra tara
Tery aloha tery vao nisy hitoeranay
Fa voka-dehibe tamin'izay
Andro Paka moa io andro io
Hipoka avokoa ny dabilio
Vao niditra izahay
Dia hitako ianao
Nitendry ilay Harmonia
Nitodika ianao nijery ahy
Toa te-hitsiky angaha nefa tsy sahy
Izaho sadaikatra, namindra saikatra
Saiky tsy afa nandeha raikitra
Niondrika aho satria menatra mafy
Hilefa ho aiza moa, Votery nihafy
Ny doboky ny fo Injao fa mafy ery
Toa hoe hihoatra ilay Harmonia
Tsy dia fantatro izay lohateny
Ny hany tsaroako dia ny feony
Fa ho ahy mantsy dia izay
Ilay feona Harmonia
Feon-kira milaza Fitia
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Bessa - Lola
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)