HASAMBARANA



Atao hoe jamba sy marenina izay tia 
Kanefa ianao mbola mahita sy mandre 
Tsy maharesy ny sainao, toherinao ny fonao tia 
Satria ianao dia te-hanafina fa hoe : 
Efa voababon' olon-kafa manontolo
Ny henatrao mampihatsara velatsihy
Izaho indray na dia voasolo aza ao am-ponao mbola tia 
Tsy haiko hafenina kanefa aho mba minia


Ny hasambarana tsy hoe hodiana adala mody tia
Ny hasambarako dia fantatro fa tsy eo anilanao
Ny hasambaranao ry olon-tiako
Eny  an-tsandrin'olon-kafa
Ny hasambaranao ekeko ho ahy. 



Tonony sy Feony : Bessa 
Mpihira :  Solo 


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)