HAVAKO  ANIE  IZY  IZAY


Havako anie izy izay, eny havako
Ny anarany mantsy dia tsy afaka am-bavako
Maro reo kinta-mamiratra roy “
F'iny tokako iny dia sarotra hafoy

Havako anie izy izay, eny mamiko
Na ratsy na tsara dia izy no laniko
Nomeko ny foko, nomeko hanjakany
Ka asany kosa raha ho ravaravany

Havako anie izy izay, izy irery
Raha lavitra azy ny saiko dia very
Ny sariny mantsy voasikotra anaty
Tehiriziko tsara ao am-po mandra-maty

Havako anie izy izay, eny tiako
Tiako dia tiako fanilon'ny diako
Hokolokoloiko sy ataoko andry maso
Fa be 'reo mpisompatra sy mpanao ankaso

Havako anie izy izay, izy irery
Raha lavitra azy ny saiko dia very
Ny sariny mantsy voasikotra anaty
Tehiriziko tsara ao am-po mandra-maty

Havako anie izy izay, eny tiako
Tiako dia tiako fanilon'ny diako
Hokolokoloiko sy ataoko andry maso
Fa be reo mpisompatra sy mpanao ankaso


Barijaona

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)