HEHY


Hehy no ampinga enti-miady
Fiarovana mba tsy ho voa
Fa hahatoha
Ny endrikendrika

O Hery fanafenan-tomany
Fierena raha misy manjo
Na ratra am-po
Mila handrendrika 

Tsy ilaozan-tsompatra hono ny ety 
Izay be mpitia 
Maro tsy tia
Tsy ilaozan-tsembana akory ny dia
Eny tokoa fa tany moa

Nefa tsy mba resin'ankaso
Izay mijoro hisedra azy ireo
Tsy mitoreo, fa miran'endrika
Oh hehy fa tsy mba ranomaso
No hajorony toy ny tamboho
Avy ao ivoho ,
Ho an' ny mpanenjika
Hehy 


Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)