HENOY NY ZAZA
Rehefa tonga ny andro fety
Ary mrifaly ny olon-dehibe
Be no milaza fa hoe tsy mety
Raha hiran-jaza no atao be
Azo ekena ny hiran-jaza
Fa misy ihany ny malalam-peo
Kanefa kosa na izany aza
Ny hafanam-pony o mba jereo
Tadidio ilay valim-pandrarāna
Fony Jeso nanambara hoe :
Avelao hanaton' Ahy ireo zaz' ireo
Ny toa azy, tompom-panjakāna
Gaga avokoa ny olon-dehibe
Hay ! ny zaza no modely ho an'izy ireo !
Dia tsarovy koa ilay fihobiana
Vitan' ireo zaza fahizay
Saika hisy hampangina, kanjo mainka koa
Hoy Jeso hoe : Vato no hidera
Raha rarān' ireo zaz' ireo
Koa henoy ny hiran-jaza, henoy ry zareo !
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Chorale Ambohitantely
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)