HIRA IRAY

Rehefa midorehitra menamenabe
Iny faravodilanitra iny ho aho
Mahatsiaro anao, mahatsiaro anao aho.

Isaky ny malomaloka ny andro
Mitapifipify ny masoandro
Mahatsiaro anao, mahatsiaro anao aho.

Hirahira iray, hirantsika izay
Poti-taratasy kely izay ho ahy,
Nitantaranao ny fiainanao.

Hira iray, vola tsy ampy lava
Hira iray, sakafo diso vava
Hira iray, noana tsisy farany
Ainga tsisy lalany.

Hirahira iray, hirantsika izay
Poti-taratasy kely izay ho ahy,
Mahatsiaro anao aho...

Tsy tantaran' olona mihaja ambony iray
Fa zanaky ny ambanimbany kely
Mahatsiaro anao, mahatsiaro anao aho.

Hira iray, vola tsy ampy lava
Hira iray, sakafo diso vava
Ketoky ny jaly
Setroky ny omaly.




    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)